Nisy tra-pahoriana ny mpiasa
tao amin'ity orin'asa iray ka voatery tsy maintsy handeha
hamangy ingahy Tale sy ireo solo-tenan'ny mpiasa. Raha
nahare izany ny vadin'ingahy Tale dia nikiry ny mba
handeha koa sady mba miseho vahoaka rahateo koa ka hoy
Ramatoa hoe: "handeha
aho raha tsy manana alika ilay olona hovangiana."
Dia namaly Rangahy hoe: "mino
aho fa tsisy alika ao." Dia tonga ary ny fotoana famangiana, tonga avokoa ny mpiasa sy izy mivady lehibe. Raha vao hiditra ry zareo dia notsenain'ny alika be eo am-bavahady, nikorapaka ramatoa Tale ka saika hiverina. "Aza manala-baraka ahy ianao" hoy Rangahy, nahalala baiko koa ilay alika ka toa nipetraka nony avy eo. Dia nandroso tao an-trano ary ireo olona ary natomboka ny fomba rehetra fanao amin'ny famangiana manjo sns ... Tsitapitapitr'izay dia niditra tao an-trano ilay alika ka avy hatrany dia norambasany ny fen-dRamatoa Tale. Nihomehy mafy sy tapaka tsinay Ramatoa ary naharitra ela be izany satria ilay alika tsy niala mihitsy. Vita ihany ny famangiana na dia izany aza. Nony tao ivelany dia hoy ingahy Tale: "Tena afa-baraka mihitsy aho noho ianao Ramatoa. Tsy hitako intsony izay hilazana azy marina moa fa dia maninona ianao no manao toy ireny? "Ka ilay alika anie banga ridana tsy misy nify mihitsy dia manitikitika be ny kakeriny e!" hoy ilay Ramatoa. |
Mpandefa: Rivo Mahefa Ramarolahy Andriatiaray
Daty: 22 Nov 1996
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka