Miverena
Miverena
  Nisy hono   Manaraka
Manaraka

    Nisy hono tary malagasy iray, tena tia tanindrazana, sady tsy tia risoriso (integre) ... nalefan'i M/kara handrato fianarana tany am-pita tany. Nony vita ny fianarany, dia noho ny fitiavan-tanindrazany dia nody izy nanantena ny hampihatra any M/kara ny zavatra nianarany. Nony tonga tao nefa: 

1/ TSY AVELA manao izany izy, nefa ny fianarana 
   nataony no hitany sy tsapany fa mba "ANJARA 
   BIRIKY" ho entiny. 

2/ ASAINA manao zavatra hafa izy, io zavatra io 
  tsy misy ifandraisany amin'ny fianarana nataony 
  (lasa tsy MANAM-PAHAIZANA izany izy). 

3/ Amin'io asa hafa io dia asaina manao risoriso 
   izy, satria raha tsy izany dia na ihomehezana 
   (fa mionda-kena), na hampatahorina fa mety
   handrava ny fihinanan'ny sasany. Nanotany 
   tena ilay tary hoe: iza no mety, hanao risoriso 
   ve sady hiaritra ny mafy fa tia tanindrazana,
   sa hitady lalana hafa ahafaha-miasa mba mety 
   hahazoam-bokatra? (mety mihantra aman'aina ny 
   valin'io fanontaniana io). 

4/ Ny ankamaroan'ny olona ao an-tanana (vahoaka + 
   mpitondra) dia "samy mandeha samy mitady" ny 
   ady eo. Tsy misy intsony eritreritra hoe 
   "tombotsoa ho an'ny rehetra (tanindrazana)" fa 
   ny ho an'ny tena ihany no "laharam-pahamehana". 
   Ny "notion d'etat" (asa na i Rado na i Theo, 
   na ny hafa no nitondra an'io teto) dia tsy misy
   intsony. Ilay tanindrazana efa lazaina ho "tany 
   tsy misy lalAna"! 
  
Tsara ny miantso 'ndao hody ry zareo. Tsara koa ny mamola-tena hoe iaretana izay hianjady amin'ny tena any (saika hataoko hoe maritiora) saingy ny sarotra dia ny handresy lahatra olona hoe: "ANDAO HITSAMBIKI-MIKIPY ... " Izany hoe tsy fantatra ny hitontonana. Raha ny rehetra ange na vatsim-pianarana na miato-tena dia toa samy milaza hody e, saingy ny fotoana hodiana no mampisalasala (raha afaka misalasala).
Andraso aloha hilamindamina ny fandehan-javatra any, andraso aloha mba 
hatevitevina ny vola entina any, andraso aloha ho ampy ny fitaovana hoentiko any ... 

Ka hoy aho hoe "aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra ange ny hanao kambana". Tantara marina io ambony io fa tsy ho lazaiko toa an'i Shalom hoe iza ny anarany, satria betsaka izy ireo ... 

 

Mpandefa:        Lucien Laiarinandrasana 
Daty:                22 Nov 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1