Miverena
Miverena
  Oscillation   Manaraka
Manaraka

    Tafahaona ireto bandy telo lahy izay samy manambady vehivavy matavy be. Raikitra ny fifanatsafAna fa samy mihambo ho manana ny matavy indrindra mantsy! He he :-)

    Ka hoy ilay voalohany:  
    Ny ahy ny vadiko no tena matavy fa ny varavarana rehetra ao aminay dia kopaka efatra daholo ary mbola nitarina aza ahafahany mivoaka sy miditra!

    Fa hoy kosa ilay faharoa:
    Ssss ... izay izany ve, tsss ... Ny ahy ny vadiko no tena matavy fa raha mandro ao anaty baignoire izy dia tsisy rano mijanona intsony ao rehefa miala avy ao izy fa tapitra nivoaka any ivelany daholo.

    Fa hoy kosa ilay fahatelo:
    Ssss ... tsisy dikany izany e! Ny ahy ny vadiko no tena matavy fa raha handeha hiasa aho ny maraina amin'ny 7:00 no kitihiko kely ny ravim-bodiny, miverina avy miasa aho ny antoandro @ 12:00 mbola mangovingovitra foana ... 
 

 

Mpandefa:        Benoit Fils Razafimbahoaka 
Daty:                05 Apr 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

    Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka  

1