Miverena
Miverena
  Resaketch   Manaraka
Manaraka

    Miantso an'ny Dadany hono i Bemakely (Tena i Bema no kely eto an! Sao ampifangaroinareo amin'ilay Akamantsika Bema(kely), tsy fantatro ny fipetraky ny fonosana hoe: ny mifonofono lava no kely sa ny inona?, fa tsy mbola izay moa ny resaka eto). 

Dia hoy Bemakely:

- Dada! Dada! Nahafaty lalitra enina aho, 
  telo lahy dia telo vavy! 

- Fa ahoana no ahafantaran'ielahy hoe telo 
  lahy sy telo vavy?

(Marihiko fa tsy mba tafiditra ao anatin'irony biby arovana na azo aondrana aty ivelany ny lalitra (Na dia anantsika maro be aza!) ka rariny raha tsy nibedy an-janany mamonomono biby ilay rangahy). 

- Ka nifampitaingina tsiroaroa ange ilay izy e! 

Tena mahalala zavatra mbola kely i Bemakely an! Fantany sahady hoe raha vao biby dia tsy maintsy <sexe oppose'>. 

 

Mpandefa:        Jean-Francois Rasaminjanahary
Daty:                03 Dec 1996

 

Miverena
Miverena
      Manaraka
Manaraka

  Miverena any amin'ny pejin'ny hatsikana Miverena any amin'ny tranon'i Benoit Fandefasana hatsikana vaovao  
Boky fanaovan-tsonia Fandefasana taratasy aty amiko

Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka

1