Raha sendra misy anarana
mitovy dia hialan-tsiny fa ny anarana tanim-boanjo.
Tany ampianarana izany no niseho ny tantara: fanazavana momba ny faritra eo @ tenan'olombelona ny lesona. Ka dia samy narisidrisika daholo ny mpianatra fa miresaka ny zavatra mahalina sy manitikitika ny sainy. Dia niakatra ambony ny fandraisana anjara noho injay niresaka ny taova-pananahana sy ny manodidina azy ny resaka. Tena tototry ny fanontaniana ramose vehivavy fa dia nanararoatra ny ankizy nangataka fanazavana @ izay tsy mampandrimpandry ny lohany. Ka dia hita taratra fa mahalina ny rehetra ny resaka. Mba hijerevan-dramose hoe mba tafita ihany ve ny fanazavany dia nanontany ny sasany @ mpianatra izy. Ary dia afa-po izy fa dia voavaly araka ny nantenainy ny fanontaniana napetrany. Fa tsy maintsy misy maningana kely foana anefa, fa izay no mbola tsy maha any an-danitra azy fa mbola eto an-tany. -ramose: ketaka toa tsy mba dia mandray anjara fa misy inona, misy tsy mazava aminao ve ny voambolana nampiasaina sa ahoana? Sa kosa ianao natory? -ketaka: mazava tsara tokoa ramose saingy hitanao moa ny tenako somary manifinify koa. -ramose: tena matory marina ianao fa jereo moa izany valin-teninao. -ketaka:(nisafosafo ny lohany) inona moa izy teo, tajefia sa kajy?-hay! "Fitombenana" kay moa ny lesona teo! Marina ka ny: 3.5 benana X 2 = 7 benana, ny ahy latsak'izany fa izaho manifinify. -ramose: asaovy soniavin'ny ray aman-dreninao tsara ny boki-pifandraisana fa dia 100 fois ny hoe "tsy hatory am-pianarana intsony aho." ----tapitra---- PS: maro ny olona no mampiasa ny hoe"ramose vehivavy" mba ho famaritana ny hoe mpampianatra vehivavy, fa tsy misy hifandraisany amin'ny ambiguite sexuelle" akory ny resaka eto. |
Mpandefa: Herlyne Ramihantaniarivo
Daty: 18 May 1996
Mpikarakara ny pejy: Benoit Fils Razafimbahoaka