&ftHelvetica&fp&fi&fs16&cr255&cg255&cb255&ar& Anio faha 29 Oktobra 1998 &ftHelvetica&fp&fi&fs16&cr253&cg13&cb0&ar&Prague &ftTimesRoman&fb&fp&fi&fs20&cr2&cg149&cb9&ac& Any i Dada sy i Neny ary i zoky sy i zandry, &ftHelvetica&fp&fi&fs16&cr153&cg153&cb153&al& Faly mamangy sy mirary soa sy fahasala- mana ho anareo amin'ny alalan'ity taratasy ity indray aho avy aty an-tany lavitra aty. Ataoko fa salama tsara toa ahy avokoa avokoa hianareo rehetra. Tafaverina soa aman-tsara teto Prague aho ny Asabotsy 17 Oktobra lasa teo. Efa nanga- tsiatsiaka ihany raha ny toetr'andro no asiana resaka. Tsy nisy nitomanimany ve tamin'ny nan- dehanako? Nandritra ny herinandro nahatonga- vako taty aho no nalahelo, fa nony avy eo dia nihafana tsikelikely ary miverina tsimoramora amin'ny toy ny teo aloha ny fiainako amin'izao fotoana izao. Matokia hianareo ry Dada sy Neny fa hotandremako toy ny anakandriamaso ny anatra- natrareo tamiko ireny. Minoa ahy hianareo fa hotandroviko ny fahendrena. Ny hadaladalana teo aloha efa naleviko in-jato mandifotr' olona. Ary tsy maintsy hataoko izay hodiana aty Madagasikara fa aza manahy hianareo. Man- gataka mafy amin'i Zanahary mba ho tafahaona soa aman-tsara an-kafaliana daholo indray isika amin'ny fiverenako. Ilay sarintsika rehetra miaraka iny dia nataoko eo an-dohafandrianako ary fafako isa-maraina ny vovoka amin'ny trano fitoerany. Hendre tsara hianareo zandry sy ankizy. Veloma finaritra any amin'ny namana sy sakaiza rehetra any. Lazao azy ireo fa nam- pihetsi-po tokoa hono hoe ny fiarahana. Lazao azy ireo fa tsy manadino aho na dia kely aza fa ato am-poko ato daholo hianareo. Mandram-pihaona daholo indray ary salama sy matanjaha daholo. Manoroka anareo amin'ny fo feno fitiavana aho. &ftHelvetica&fp&fi&fs16&cr255&cg255&cb255&ac&Hoy ny zanakareo Fils Tsy manadino &ftTimesRoman&fb&fp&fs22&cr255&cg255&cb255&ac&Ny hazo no vanon-ko lakana Ny tany naniriany no tsara