AKOM-PAHATSIAROVANA Manonja toy ny onja Izany fahatsiarovana izany Tonga dia miritona Miverimberina eo ihany fa ranomasina iny ê mangeniheny Ny saiko lasan' iny, sadaikatra hiteny Nahita itony pejy sy ny anaranao Voasoratra ao sy ao am-poko ao Nandoro mahamay ny masoandrontsika Nifanjoy, niray, ny dian-tongontsika Ny sia izay tavela mieloelo ao Akon' hira ela, hatrao anatiko ao Tsiaro mifangaro, zava-maromaro tonga ao an-tsaiko ao Eny mba hatraiza Izany fahatsiarovana izany Mangaina ny tontolo Mipitrapitra manontany Fa tany karakaina ny manoloana eto Voary savolaina toronvandrovan-tsento Ny manondidina ahy, voajeriko avokoa Mitady ireo fanahy nihainana taloha Hitako ao ihany ilay hazo mamintsika Voasoratra amin' izany ireo anarantsika Miverina mangina ao an-tsaiko ao Ny tafa nifaliana avy eo imolotrao NY RAILOVY