ALINA PARIS Maizina sady mangatsiaka ny amin' ny enina ririnina Ora firavan' ny mpiasa Mihaohao ery ny mpandeha, tototra fiara ny araba Alina ririnina mitabataba Jiro an' alin-kisa maro, fotsy mena, ny hafa koa An-dàlana, an-trano, hatreny amoron-drano 'Zay rehetra mba haleha, na magazay na kafe Toa foara avokoa etsy sy eroa... alina Paris ! Alina Paris ! Mihira ny fitia ! Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty Fitiavana 'lay tany niaviana, Tanindrazana malala tena tiana... Embonembona sy vetsovetsom-po 'Ndray mitraotra ho azy avokoa Anivony mamiratra ny taniko, no laniko Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa, Mamy tena mbola mamy... Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia ! Na alina sady mangatsiaka, ny toerana malaza dia sariaka... Toa fety lava miravaka hazavana, Saint-Germain na Champs Elysées, Pigalle Sy ny hafa be dia be, mifanjevo samy revo mikorana Matetika an-dalan' eny hitanao, mpihira na mpandihy milalao, Arahin' ny gitara na koa ny agorodao, 'Reo mpifakantia moa, mahazatra anao tokoa Fa mifanorokoroka etsy sy eroa Alina Paris !... Ny Railovy J. Randria , 1975