ANGAMBA Ho mamy angamba Ny fahafahana Raha toa ka ombam-pitiavana Raha toa ny jamba Omem-pitantana Ary ny noana vokisana Tsy hisy intsony ny fanavahana Ara-poko na fivavahana Ka ny lasa dia ho fongorana Sy ho dorana mba ho may Ho mamy angamba Ny fahafahana raha toa ka ombam-pitiavana Ny adilahy sy ny forongony Dia tsy ho sahy himpongatra Ny hatsembohana no hihinanana Nefa kosa mba samy hanana Fa tsy hisy indray ireo mpangalatra. Tsy nisasatra ka handray Ho mamy angamba ny fahafahana Raha toa ka ombam-pitiavana Angamha aho faly Angamba aho sambatra Raha toa izany tanteraka Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Lola - Bodo