ANTANANARIVO Antananarivo zareo Fonenana tsy mankaleo Fa tsara sy soa lalandava Mampiaiky sy mahavaky vava Izay monina ao dia tamàna Fa toerana sarotra ialàna Izay vahiny sondriana Ka raiki-pitia sy variana Ny lemak'i Betsimitatatra Tsinjovina antoandro ka fatratra Ny onin'ilay vahilava Mandroaka ny sento hisava Ny ranon'Anosy malaza Ny dobon'ilay Tsimbazaza Farihin'ilay Mandroseza Madio mangamanga mateza Ilay Ambohipotsy ao atsimo Fonenan'ny rivo-mirimo Avaratra ilay Ankadifotsy Fonenana mandrotsirotsy Ilay Ambanidia ao atsinanana Ambodin'Isotry ao andrefana Ireny sy ny hafa sy ny etsetra Onenan'ny soa tsy voafetra Veloma tsy ho afaka an-tsaina Iarivo izay mamin'ny aina Tsy ho adino na oviana na oviana Fa akany malala fodiana Naka RABEMANANTSOA