AO AVARA-TANANA Ao avara-tanàna no misy kamory Nilaozan-tsiriry ka tonga oriory Tsy ady tsy inona ka dia nilefa Sao dia ho neninao izany rehefa Nahita ny rano tambiazana angaha Sa mbola haitraitra na te hizahazaha No tonga nadao anie ilay farihy nahatamana Ka lasa nirintona sady tsy tana Ny ela nitoerana ve nankaloy Sa ela ny ela ka naha iray rohy Ry voro-nilefa tsy noho ny ankaso Tandremo fa sao mifihi-dranomaso Veloma ry vorona lasa nilefa Masina indrindra kanefa Ny soa nifanaovana aza adinoina Ny tsara efa vita aza lotolotoina Naka RABEMANANTSOA