ASABOTSY MIFAKAHITA Agnay ty izao tsa afaka miagnany, Sy afara koa isika mifakahita Ka agnay izao e! hitatara ny faha- ela Ka aza tsigniane, fa hitondra ny SOKELA Koa azafady, azafady Andriamatoa Fa agnay toy, hitatara FIANARANTSOA Tsaramandroso, ao no misy ny lakazera Manatrika azy ao koa college sacre-coeur Agn'Ambozotany e! ao ny tanan-dry Mopera Magnolotsa azy ao koa e! ry chez frera Ambatolahi-kisoa, ao ro biraon'ny kaomisera Lapan'ny tana- e! Adimistratera Ao Ambatomena, ao ny divay Mac Kelera Tambohobe, ao ro misy ny dokotera Magnolotsa azy ao koa e! ao ry Masera Ny kirikitsa ro natao sagnatry Fanafody tena mahasoa Ny fitiavako an-drika ro nahafaty Koa mandihana fa aho tsa mila koa Eh ! veloma e! ASABOTSY MIFAKAHITA Beravina aba ro misy an-dra Noribera Mariny azy ao koa e! Travao sy ny injeniera Ao Mahamanina fiangonan-dra Pasitera Ao amin'ny Soafia, hotelin'ny Etrangera Miolotsa marigny ao koa, ny tanan' Ingahy Mera Besorohitsa aba ny garan'ny militera Tasionima, ao ny panera Marigny azy ao koa, ny pivarotsa Labiera Ao an-drirany ao, zalahy Penitansiera Magnolotsa azy ao koa LaGara Chemin de fera Ao amy Paositra ao e ! Resevera sy Fakitera AMPASAMBAZAHA E ! izao ro FAGNALANA APELA Ny maray maha-te hiarake Sy hariva, miady voanjobory Tolakandro, isika ma-piarake Sy amy ny aly koa miray matory Eh ! veloma e ! ASABOTSY MIFAKAHITA Izay aba ara ny tantara Fa agnay toy tsa handany lera Fa lehe misy ny Ambodivora Arosoy leky iray vera Mahaiza mamindra lehe nahalany Fa nge mamo koa dia mianjera Miavia atoy, roky sy hariva, fa... Misy kiridy ao amin-dRasitera Kabaosin-dRapaoly ro hampandihy Ka asa lehe hisy Paritinera Eh ! Veloma e ! ASABOTSY MIFAKAHITA TSIVAHINY