ASANDRATRO AVO Jesosy ô ! Asandratro avo ny Anaranao Mpanjakako Ary koa isaorana mandrakizay Ianao Jesosy ô ! Anjara lovako eto an-tany sy rahatrizay Ianao Ary Ianao irery no hany Tompo tompoiko Jesosy ô ! Ny foko feno fitiavana atolotro ho Anao Ary tefeo amboary Tompo hahay hitia Anao Eny fantatro fa fitiavana manolotra aina no nitiavanao ahy Jesosy ô ! Iaorana mandrakizay Ianao Notoloranao fitiavana aho Fitiavana marina, mandrakizay Aina no nafoinao Ho takalon'ny tenako izay meloka Nefa Tompon'ny tompo Ianao Nandao ny lapan'ny Rainao Kanefa Zanaka Malala sady Maminy Dia nidina tety Ianao, hisedra fahafatesana Hisolo izato fahamelohako Tonony sy Feony : Adeline