AZA ELA Manganohano irery Tsy misy mahalala Ny afo hamindroana Tsaroana mamanala Vetsovetso maro Mirotsaka ao an-tsaiko Mangina ny akany Nilaozanao ry aiko Ny dinidinintsika 'Reo hiraizay fanao Tsy mbola mangatsiaka Ao am-poko ao Ianao irery ihany Ianao no mahalala Ny ahiahy sy ny alahelo Raha lavitra ianao Aza ela ianao, aza ela Tongava malaky Fa ny embona mivela No mila tsy tanty Hafarako mangina Izao rehetra izao Hafarako ry tiana Mba hiverenanao. NY RAILOVY