BAO Maro be ireo olona efa fantatro tarehy Hitako matetika hitako eny an-dalam-be Saingy 'ty ankiray ho lazaiko anao Tanora tompon-tany mbola tsy fahitanao Mba iza moa no anarany azafady lazao Sao mba fantatray ka mety ho gaga ianao Ny anarany tsy fantatro fa raha toa tianareo Raha manahirana anao dia ataovy hoe BAO BAO dia tovovavy teny malagasy Mitavy lamba, lmava volo, maontina sy kasy Ny halavany, ny fijoro dia Bodovoangy indrindra Toy ny Miss Majunga, raha bika no harindra Ny fitsiky, ny tarehy raha azoko ambara Hahatsiarovanao ilay Miss Tuléar. BAO dia malagasy raha jerena avy hatrany BAO dia malagasy mahafinaritra aok' izany Na bika na tarehy toa tsapako sahady Tena zazavavy tsy fahita an-davanandro BAo â ! BAO â ! Aiza ianao re ry BAO ? Hilazako vaovao Raha ho any an-tsena ianao Aiza ianao re ry BAO â ? NY RAILOVY