HARMONIA Izay feon-kira izay feon-kirantsika Henoy tsaroanao ve izay ilay mozika Natao fidirana taorian'ny litorzia Ianao nitendry ilay Hamonia Izay feon-kira izay tsaroako tsara Izahay sy Nenitoa niditra tara Tery aloha tery, vao nisy hitoeranay Fa voka-dehibe tamin' izay Andro Paska moa io andro io Hipoka avokoa ny dabilio Vao niditra izahay dia hitako ianao Nitendry ilay Harmonia Nitodika ianao nijery ahy Toa te-hitsiky angaha neia tsy sahy Izaho sadaikatra, namindra saikatra saiky tsy afa-nandeha raikitra Niondrika aho satria menatra mafy Hilefa ho aiza moa voatery nihafy Ny doboky ny fo injao fa mafy ery Toa hoe hihoatra ilay Harmonia Tsy dia fantatro izay lohateny Ny hany tsaroako dia ny feony Fa ho ahy mantsy dia izay Lay feona Harmonia feon-kira milaza Fitia Tonony sy Feony : BESSA Mpihira : LOLA - BESSA Mpandrindra : ARO ----------------------------------------- NY HIRAN'NY FO 1 - Fa hendry ianao k'aza anenenanao Izay natao niarahana hatrizay 'Reo herimpo eia natobakao Ireny ve havelanao ho may 2 - Ny voninkazo mamintsika roa Maro mpitia satria tsara tarehy Hira fandre na izao na taloha Ny mpihaino azy fo tia be dia be 3 - Kanefa moa raha hevitrao tokoa Ny hanadino fo tia mankalao Ndeha soavadia ka mahita ny soa 'Ty hira ity hirary soa ho anao Isan-andininy : Ny foko akia tsy mba mahay miteny Kanefa henoy, henoy fa ho renao NY hirany ao, ho anao ilay nekeny Miangavy re henoy raha sitrakao Tonony : AINA Feony : Bossa Mpihira : Lolona ----------------------------------------- OMEO 1. Tonga ny fitakian-ketra, Efa dodona izaitsizy ! Nefa ny vola rehetra Lany fa maro ny ankizy Misy efa voasazy Fa tsy nahaloa ekolazy ... Mbola betsaka ny trosa Ary ny adidy miavosa Dia mitaky hoe : 2 Kely anefa ny karama, Zara raha misy hanefana Na dia mila hanafaka aina Mbola tsy azo 'zay ilaina Ady anefa ny eto an-tany, Tsy te-hahalala izany ! N' aiza na aiza no ombana Tsy mba azonao ialana Ilay mitaky hoe : Isan-andininy : Omeo ! Omeo ! Omeo ! Omeo hatrany, Tsisy hatakandro na hoe famimdrampo Fa mitaky hoe : Omeo ! Omeo ! Omeo ! Omeo hatrany, Ka ny hany azo atao Dia mamoron-trosa vao. Tonony sy Feony:BESSA Mpihira : BESSA Mandrindra : ARO ------------------------------------------ MARAINA Maraina Maso ahiratra ianao Maraina Molotra tsiky ianao Maraina Raozy mivelatra ianao Maraina Vololon'aina vaovao Ny aizina hisava Ny tahotro ho rava Tonga ny mazava Maraina Tonony sy Feony : BESSA Mpihira : LOLA Mpandindra : ARO ------------------------------------------ EMBONA SY TSIAHY Misy tsiahy Entin'embona tsy tana Tsy iniana Kanefa injao Tonga tsy nahy Hanamaloka hazavana Fa ilay tiana lasa nandao Tanisainy sy lazainy anao avokoa Ireo tantaranao Tsiambaratelonao Fohaziny eo ny taloha Nankarary fo Dia viravirainy ny ratranao Fafao ny tomany Jereo ny ampitsonao Dia ataovy hoe izay lasa nandao Hisolo indray fitia vaovao Toniny : BESSA Feony : Gilbert ANDRIAMAHALEO Mpihira : LOLA - SEHENO Mpandrinda : ARO -------------------------------------- RATRA MANARINA Ianao naratram-pitia fa nanao foana Namitaka ianao Kanjo namoy,ilay tianao Izay tsy mety avelao Izay tsara tazony Dia tsy hisy intsony ny fahorianao Tsy very maina fa nilaina ny ratranao Hanarenanao ny ho avinao Izay tsy mety avelao Izay tsara tazony Dia tsy hisy intsony ny fahorianao Satria nifoha ny sainao Ilay saika natory Mifona ianao, mivalo ianao Tsy hanindroa Indro mody aminao Tsy niova akory Ilay olan-tianao mbola tianao Tsy very maina fa nilaina ny ratranao Indro mody aminao Tsy miova akory Ilay olon-tiano, mbola tianao Tonony sy Feony : BESSA Mpihira : LOLA Mpandrindra : ARO ------------------------------------------ NOFY Ireo voninkazo Niotazanao Ndreo fa malazo Maina kina izao Ireo hirahira fikalonao Lasa an-dakira Foana sy nandao Ny fitiavantsika Nafana hatrizay Indrisy mangatsiaka 'Foy mandrakizay Lay paradisa naorinao Ho nofy sisa Nofy hatrizao Tonony sy Feony : Tovo ANDRIANANDRAINY Mpihira : LOLA Mpandrindra : ARO ------------------------------ VAHINY Fa vahiny izy, vahiny mba nandalo Tsy nivatravatra na hoe nanao ambozizy Na fianakaviany na izay tany nihaviany Tsisy nahalala akory na nanao hoe fotory Nipitrapitra izy, tsy sahy niteniteny Nefa dia nambabo tsy nahy, nambabo fanahy Ny tepon'ny foko natahorako ho reny Nony sendra topi-maso tsy mba niniany akory Fa raha toy izay hono, tonga dia nolazainy Ireo teny nantenainy saiko Ho asa angamba, izay zava-nitranga Sanatria ho safotra aho angamba Fa saingy tsy izany, tsy izany no niseho Fa fotoana vitsy dia hay nandao ilay vahiny Tsy nanaraka azy aho, tsy afa-nanoroka azy aho Teo dia vita ny tantara, anay sy ilay vahiny. Tonony : BESSA Feony : Noël RAKOTOARIVONY Mpihira : LOLA Mpandrindra : ARO -----------------------------------------