BETAFO Ao an-drefan'Antsirabe Misy tanana tsara faleha Iny avaran'Andraikiba Ny lalana dia madiva Ho tazana ireo voly Maintso mavana voakolikoly Na ny lemaka na ny havoana Tsara aok'izany 'zay manoloana Tsy hitahita akory dia indro 'reo tafo Io no tananan'ny BETAFO Hafa indrindra i BETAFO Fa lazaiko anao marimarina Ao no misy ilay dobo Atao Tatamarina, Eo ambony antsinana Milahatra toy ny toko Tendrombohitra telo hatao: Ny avoko Antatafo ve, mba fantatrao Tsy aiza fa ao avaratry ny tanana Ao andrefana kely no misy No misy an' Andranomafana. Naly R.