DADA Ilay Ray natao ho andry Efa lasa nodimandry Tsy azo andrasana Fa remby voatelin' ny fasana Tsy mba afa-nisafidy Avy hatrany dia voadidy Ka nanjahatra Kamboty voatendrin' ny lahatra Réfrain : Dada ô ! toa inona re ny korana Raha teto ianao Nitaiza sy mba nihantana Izy anefa no hotsiniana Fa mipetraka mangina (satria) 'tonantonana Ny hoe tsy handray fiononana N'aiza n'aiza misy anao Ny mba hany azo hatao Dia manondrotra Ny anara-nomenao voatolotra Horaiketiko ato anaty Ho lalaiko mandra-maty ny fitiavana Ka mandria am-piadanana ! Tonony : Liva Andrianavalona Feony : Bessa