FIAINAN' ANTANANARIVO Manimanina ny any aminay izaho e ! Manimanina te-hody e Ny foko izay malahelo Tsy haiko ny hanaovana azy e ! Izaho tsy manam-bola handehanana hody (2) Efa tonga efa ela be 'zaho e ! teto Antananarivo Nikarama efa ela be 'zaho e ! teto Antananarivo Nefa dia hatramin' izao tsy nahangona vola firy Ny frais mbola tadiavina K'aleoko mijanona a ! Mahatsiaro ny any aminay aho ry nama Dia te hody ! Dia te hody an ! Ny fiainan' Antananarivo iharaha-malala fa tsy te halala Ny fiainan' Antananarivo iharaha-malala fa tsy mahatamana Mitsakaraka vola isan-andro ka mandreraka, ka mandreraka Samy maka ho azy daholo tsisy iainana, tsisy iainana O ! ry akamako , omeo korazy aho Fa mitady ho reraka O ! ry akamako , omeo korazy aho Mba ho entiko hiady O ! ry akamako a ! aza avela ho irery aho 'Ndao mba hiaraka O ! ry akamako a ! omeo korazy aho Tsara raha miaraka. ------------------------------------------------------------- MIMOZA Tiako hafindra aminao Ny fitiavako mimoza Kanefa raha tsy tianao Dia avereno ho ahy Ny fitiavako mimoza Misy toerana mafana Tsy mba mamanala Ao anatiko ao Toerana kelikely, afaka hitahiry Ny fitiavanao mimoza Manimanitra daholo, izay lalovanao Misy fofom-boninkazo Vononkazo mimoza Andao fa ho entiko ianao Faly aho raha hitanao Ilay saha mimoza Izay toerana falehako Efa nanamboarako Trano kely mimoza Ny andro efa hariva Tsy mba fantantsika Ao anaty tranokelinao Ny afo manazava Dia hanome hafanana Hafanana mimoza Ny haizina mangina Efa manery antsika Handao ity tranokely Tranokely mimoza Raha sendra lasa izaho Raha sendra tsy eo izaho Dia izao no zavatra hataonao ahy Mandehana any an-tsaha Ary mangala voninkazo mimoza. ---------------------------------------------- TAXI BROSY Ianao avy any Atsimo Handeha hianavatra Ny fonao tsy manadino Hamangy ireo havana Soa fa misy fiara e Mitety an' i Madagasikara Ireo taxi-brosy Mapifandray ny mpianakavy. Ianao avy any Avatra Handeha hianatsimo Hamangy malala Any Ambanivolo Soa fa misy fiara "e Mitety an' i Magadasikara Ireo taxi-brosy Mampifandray ny mpifankatia I Magadasikara Tany midadasika Mifanalavitra be ny toerana Ny fitaterana mbola sarotra Ny lalana tsy maharaka Ilana fanamboarana Ilana fanitarana Raha tsy izany ny fifandraisana Manjary fifandrafesana Eny e Ianao avy any Andrefana Handeha hiantsinanana Mitondra voan-dalana Dia ny fitiava-namana Soa fa misy fiara e Mitety an' i Madagasikara Ireo taxi-brosy Mampifandray ireo izay miara-dia Ianareo avy Atsinanana Handeha hiankandrefana Hila ravinahitra Any amin' ny tany tsy mbola fantatra Soa fa misy fiara e Mitety an' i Madagasikara Ireo taxi-brosy Mampifandray ny fomban-tany Ny mponin' i Gasikara Maro karazana Samy hafa ny fihaviana Samy nandeha lakana Nanjary tafahoana Iray fonenana Iray tanindrazana Ny ranomasina manodidina Vao mainka nampitambatra Eny e Na dia mbola tsy ampy Ny lalana mampitohy Izay mampifandray Antsika Malagasy Soa fa misy fiara e Mitety an' i Madagasikara Ireo Taxi-brosy Mitondra olona Tsy mialon-jafy Mampifandray ny nosy. ---------------------------------------- NAHOANA KAY Nahoana kay ny kilonga aty no tsy mahay taratasy ? Nahoana kay ny kilonga aty no tsy mahalala taratasy ? Taratsin' izy ireo dia ny teny amboleny Ny angadin' izy ireo no fanoratany eny. Ny fiainan' izy ireo dia mivelona amin' ny tany Fonenan' izy ireo tsy mba eny an-danitra eny Nahoanay kay ny olona ety no noana fahavatra ? Nahoana kayny olona ety no tsy manam-bola vahavatra ? Volan' izy ireo dia ny vokatry ny tany Harenan' izy ireo tsy mba izany vola izany Ny fiainan' izy ireo dia mivelona amin' ny tany Fonen' izy ireo any ambanivohitra any. Nahoana kay ny fiainana aty no sarotra ivelomana ? Nahoana kay ny fiainana aty no sarotra iainana ? Ny tenin' izy ireo dia teny halan' orana Tananan' izy ireo dia tanana alan-drivotra Volan' izy ireo sangisangin' ny havandra Kilongan 'izy ireo dia mararirary lava Ny fiainan' izy ireo, fiainana lavitra antsika Ny fiainan' izy ireo, fiainan' ambanivohitra Ny fiainantsika ety, fiainana an-drenivohitra Fiainantsika ety, fiainana manao ahoana ? Antsika no mamantatra izany. ----------------------------------------------------------- OMALY TOLAK'ANDRO Omaly tolak' andro Rehefa tolak' iny ny andro Nigogogogo nitomany izy Tsy mety ritra ny ranomasony. Nanontaniako izy Tsy mety miteny Nanontaniako izy Tsy mety mamaly Fa inona ihany ary No mahazo ary Marary kosa angamba ny fony (2) Nanambitamby izah' Nanambitaby izah' Tsy nety Tsy tambitamby ho' ah' Tsy tambitamby ho' ah' No ilaina (Fa inona e ?) Ny alahelo rehefa arahan-dranomaso Dia toy ny rahona arahan-dranonorana Rehefa lasy ny tomany Ny fo ho ravoravo Rehefa lasa ny andro ratsy Hibaliaka indray ny andro Fa ny fiainana eto an-tany Dia tsy vitan' ny tomany Fa ny onjan' ny ankaso Dia tsy resin-dranomaso Fafao ny ranomaso Ka jereo tsara Fa ny aty tsy kilalao Tsy kilalaon-jaza Ka na ho aiza ialahy Ka na ho aiza ialahy ry sakaiza Tsy maintsy misy ho' ah' Ny manenjika an' ialahy Ny mitifitra an' ialahy Fa androany tolak' andro Rehefa folak' iny ny andro Folaka koa ny alahelony Nijanona ny ranomasony Manantena ho' ah' Manantena ny masoandro Rahampitso, rahampitso tolak' andro Mbola ho avy lahy Mbola ho avy lahy ny masoandro Rahampitso tolak' andro. ----------------------------------------- NOSY MILALAO Ny ranomasina Sy ny lanitra Samy manga Madio sy mahafinaritra Manofahofa taanana Ireo voanio maintso mavana Ny rivotra madio Mihira fa andro fety anio Avia mandrosoa Ry nosy miara-milalao Gasikaraka kianja soa Ry tanora mivonona ianao Hiaraka hanangana Tranobe iombonana Firaisan-kina no hajoro Io no vato fehizoro Manofahofa tanana Ny eo an-tanana Faly sy ravoravo Fa tafaray ny Nosy maro Avia mandrosoa Ry Nosy miara-milalao Ny trano lehibe tokoa Ry tanora, vohay ny fonao Hifandry tanana Sy hifampitantana Ny fiarahana madio Midika fa andro fety anio. ----------------------------------------- AZA MANADINO Aza manadino anay 'Nareo izay any ambony any Asa raha misy mandray Izany vavakay izany ? Mitodiha vetivety Mba henoy ny vavakay Ny eny ambony eny efa mety Ny aty ambany aty mba androtsay Ianareo no nirariana Mba hanavotra ny tany Mangeja mafy ny fahoriana Tsy resinay aty ambany. Ny antsonay misesisesy Midina, ampio izahay Ianareo mety handresy Raha tena eo anilanay Isika mety handresy Rehefa niaraka natrizay. Mikapoka nahamay Ny fiainana izay manery Ny valim-bavaka azonay Dia ny hoe : Miareta fery Aza mba manadino anay Nareo izay any ambony any Aza mba manary anay Raha samy mbola eto an-tany Aza mba manary any Raha samy olona ihany. ----------------------------- FARAKELY Tonga aho dia nanoroka ny takolakao Nefa ianao toa tsy mba nangoraka ahy Angamba kosa efa lao Mba hitanao tokoa va re Ireto masoko mitoloko o ! o ! o ! Mitady fitiavana be dia be Mba hampitony ny foko Nangarika fotsiny ianao Ka nanao jado-tongotra Malama anie ny lalana ho diavinao Ka sao ianao ho potraka o ! o ! o ! Dia handao ahy tokoa ve ianao Ry Farakely o ! o ! ! Fo maratra anie no sisa navelanao o ! o ! o ! Nefa ianao sao mihevitra Fa izaho hanaraka anao Ry Farakely mahalasa eritreritra Zory ny lalanao o ! o! o! Ry Farakely mahalasa eritreritra Zory ny lalanao o ! o! o ! -------------------------- AMBOHIKOBAKA Mivalana ary koa ny gitara Toy izany koa ny feo Ka aoka isika samy hihaino tsara Fa izy ity tsy angano na tantara Fa mikasika ny fiainantsika eto Madagasikara Misy eritreritra miainga Miainga avy eny Ambohikobaka Avy hatrany dia manao savoan-danitra Mandinika avy eny ambony eny Io ilay eritreritra, ambonin' ny latabatra Mahay mandresy lahatra amin' ny kobaka am-bava Toa lavitra be ny eny Ambalambahoaka Raha tazanina avy eny Ambohikobaka Toa lavitra be ny eny Ambohikobaka Raha tazanina avy eny Ambalambahoaka Tsy mahatazan-davitra ny any Ambalabamhoaka Tsy mbola afaka mitsinjo ny vody andro merika Tsy tazana mihintsy ny any Ambalabahoaka Fa varimbariana ny lavitra ny eny Ambohikobaka Ny eny Ambohikobaka variana Mivarotra rorono an-tavy Ny any Ambalambahoaka sahirana Mitady ny hanina hohanina anio Manaraka tsara ve ? manaraka tsara ve ianareo Raha manaraka tsara ianareo Dia ho tohozantsika ny tantara. Misy eritreritra miaingna Miainga vay any Andohasaha Avy hatrany dia misandrahaka Henika azy ny any Ambanivohitra any Io ilay eritreritra Eritreritra tsantsaha Maniry amin' ny tany Mahazo fakany avy hatrany Toamangina be ny avy eny Andohasaha Raha henoina avy eny Ambohikobaka Aza ny lohasaha mangina no jerena Fa Ambohikobaka an-tampon' ny loha Tsy heno mihintsy ny avy eny Andohasa Avo feo loatra ny avy eny Ambohikobaka Nankaiza tokoa ary ny feon' ny tantsaha No ireo mpisolo vava no mbola tompon' ny laka Ny eny Ambohikobaka mifaninana Mamadika bainga hivelomana Manaraka tsara ve hianreo ? (bis) Raha manaraka tsara hianareo Dia ho tohizantsika ny tantara. Ilay nosy izay mamintsika Tsy manan-tsahala izy ity Iaraha-mahita Ilay nosy fonenantsika Mbola maro olana izy ity Tsy voavahantsika Ireo izay nitondra hatramin' izay Dia nihevitra fa azy ireo irery ny tany Mahay politika mampandry adrisa Ilaina, hono, ny hafetsena raha hitondra firenena I Madagasikara anefa (bis) Tsy an-dry zalahy irery Antsika ihany koa Ka raiso ny andraikitra Any Andrnivohitra no misy fahaizana Izay tompôn' ny fahaizana, hono, No mifehy ny tany Any Andrnivohitra no misy ny vola Izay tompon' ny volan honon No mitondra ny tany Any Andohasaha, ny fanahy no maha olona Izay manam-panahy, dia ny miasa ny tany Mamokatra vary ho antsika Malagasy Soa fa mbola misy fahendrena eto amin' ny firenena Zovy amintsika anefa (bis) No mahalala an-dRamalagasy No mahay ny fahendrena Malagasy No mahay mihaino ny avy any Andohasaha ? ---------------------------------------- VOASARY Iny izy fa tazako eny an-tampom-kavoana Mamikavika mafy ery ambany ery Mitofatofa amin' ny zipo, zipo lavany Fafazan' ny orana avy any atsimo izy Tohan' ny rivotra tsy avelany mandeha Mavitribitrika anefa izy mitaingina ny kapany Na dia misy aza ny fiakarana mideza Izay miandry azy atsy aloha atsy a ! Mavitribitrika izy e , hamangy ilay malalany Ny famindrany amin' izay e ! Manaraka ny fitempon' ny fony. Midobodoboka ny fony, midobodoboka aok' izany an ! Rehefa tonga teo am-baravarana Nandondona indroa izy e , nefa tsy nisy namaly Saika handondona fanintelony izy Nivoha anefa ny varavarana Ka nampandrosoiko izy e ! tato an-trano Mangetaheta anefa izy Dia notolorako voasary Samary gaga anefa izy nijery ilay voasary Voasary efa vita vaofy no nomeko azy Nanontany azy izy e : nankaiza ny odiny ? Be mpaniry mantsy io voasary io Ka izay tonga ato an-trano dia mihinana ny odiny Ny fonin' ilay voasary anefa tsy nomeko an' iza n' iza Natokako ho anao e , ny fonin' ilay voasary an Natokako ho anao e , ilay voasary mamy an ! ----------------------------------------------- DIHY Ritsodritso-baliha telo Dobodobok'amponga tapaka Lokanga dimy indray dinidy Sodina taolana tsara loaka. Io misonenika Ratovovavy Miankanjo manga marain-droa Ny lamba valaka mavokely Raozy gasy ao anaty volo. Tsaokam-bero sa bararata Mihararetra eny amoron' ala Tsidintsindin' ny andro meva Sa angindina manga eny an' ony. Io misonenika Ratovovavy Moana tampoky ny fiadanana Valiha telo, amponga tapaka Lokanga, sodina no indray henoiny. F'injay ny molony mangovingovitra Ipololoran' ny nofonofy Tsy toha intsony ka zary kalo Dia lasa hira nony avy eo. Mba ontsa koa Ravaviantitra Ka io mirotsaka mba mandihy Mitari-joro ny ila-sikiny Dia toy ny androny mirefarefa. Tsy kalokalo na hirahira, No mampifelana izato endriny Ranomaso no mamonto azy Mahatsiaro ny mafy rehetra. mahatsiaro toa fenomanana Efa ho rendrika sy tsy ho hita Inty mihintsana ny lohataona Zary fasana ravi-maina. Dia mifanojo ny lohatoandro Ny tondro mihantsin-dRatovovavy Sy ny tondro fola-dravaviantitra Samy tanteraky ny hazavana. Mifanojo ka toa tetezana Ifanohizan' ny alin-kely Efa foy eny an-tendrombohitra Sy ny andro maraina maneno akoho. J.J. RABEARIVELO ----------------------------------------------