EFA ELA BE Efa ela be no faniriana Tato am-poko Ho an' olona ankiray Nambabo ny fanahy Eny mambanao Tiako ianao. Izao vao sahiko Lazaina anao Fa tsy tantin' ny fo Mampahory ny saina Omeko anao - ny foko tia Omeko anao - raha sitrakao Ny fianako rehetra Hiara-dia aminao Foiko anao - ry foko tia Foiko ho anao, ho anao doria Isika hiombon' eritreritra No horovan' ny fitia NY RAILOVY