ELA LOATRA Ela loatra No mitoetra Tany ampita Ka tsy hita 'Lay malala silak'aina Sady toka-nantenaina Kanjo izao Ho avy ao Hoy ny teny Izay nomeny Ka ny fo ela nisaona Dia ho faly tafahoana Ry elanelan-tany Mpisompatra mavany Ny maso no voafefy Fa tsy mba mihalefy Ny fo izay nifanaiky Na lavitra n'akaiky Andrianary RATIANARIVO