ERITRERITRA Raha sendrasendra miampita ny eritreritrao Hitodika ny lasa hisaina izay atao Ary indro fa tsaroana ao an-doha 'Lay lālana nizoran'ny fitiavanao taloha Raha sendra misy sento kely toa tsinahinahy Izay mitaraina anarana mitovy amin'ny ahy Miala avy ao am-ponao manirery te-hivoaka Eo amin'ireo molotrao roa izay toa tsy sahy miloaka Raha sendra misy ho'aho sento kely toy izany Dia aza tanana izy f'avelao handeha hatrany Vao mainka koa hitombo ny fangirifirinao Raha toa tsy alefanao izy fa fihininao ao Dia aza asiana resaka na mba arahan-teny Fa alefaso mora toy ny fofonainao ihany Omeo veloma batsaka tsy hisy fanindroany Sento diso vala anie izany ka aza misy toy intsony Ny sentonao dia ho entin'ilay rivotry ny lanitra Hidona ao an-tsofina toa feo avy any lavitra Indrisy anefa fa ny akony izay tena ory Tsy mahay manaitra intsony ilay fitiavana efa matory Raha fitia natao vola 'Zaho anie tsy hahavatra Ny vola be dia vetivety d'indro indray hiratra Ny neninao sy ianao no aoka sisa hifampitafa Izaho sy ny fitiavana efa tojo any an-kafa Andrianary RATIANARIVO