ERITRERITRA FAHAVARATRA Mijononoka moramora ny orana avy hariva Ny alina madiva Hamonto an-torimaso ny lanitra sy ny tany Ka hitondra any ho any, any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza, ry fanahy ? toa reraka manahy? Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao? Izay mameno, no injao Mihodikodina ao am-po, mihodikodina ao an-tsaina Toa rano nafanaina Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory Ny jiroko Matory izay rehetra manoloana ny masoko mahery Aiza ho aiza no miery? Ry fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo? Avia mamoka feo Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao Izay tena teninao Dia ho fantatro avokoa izay rehetra hafenina ahy Mitenena ry fanahy Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany Mangina koa ny tany Ka hatrao anatiko ao, tsy misy reko intsony, Tsy misy tsy mba tony Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be Ny fitiavako handre Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra Tsy mbola tena sambatra Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina Ka he! mitaintaina! Mihamalemy moramora ilay orana avy hariva Ny andro dia madiva Hamoha ny torimason' ny lanitra sy ny tany Ka hamerina avy any Avy any, nefa avy aiza? avy aiza ry fanahy Toa trotraka, manahy Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao Izay namonto no injao Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina Toa rano nafanaina. Ludger