FA MAINTY AHO Fa mainty aho Ka nolazaina Hoe adala tsy ampy saina Izay rehetra mba nangatahina Tsy nojerena fa no tsipahina Nankalazaina Fa mainty koa 'Reo faniriana Nameno fo Ka hoe tsy azo hotontosaina Fa sao manaloka Ireo maraina Fa sao manantena ianao Na koa mihevitra ianao Fa hoe hitomany ianao Tsy misy izany Indray andro any Isika izao Tsy ho fefena na ho terena Hirehareha fa tena sambatra Hikalo indray hoe olona afaka