GASIKARA Raha vao tsinjo ny lanitra manga madio Atsinanan' ilay Afrika, Midoboka mantsy ny fo, Tsy ho ela dia ho tody soa : Ranomasina tony sangian' ny onja fotsy Manjelatra sy mipariaka, Manamorona ilay Nosy mena 'Lay Nosy malala tsy afaka an-tsaina O ! Gasikara, tany tiana, manahoana e ! Ny hafaliana tojo anao, tsy omby tratra Gasikara o !... Gasikara, tany tiana a ! Arahaba e ! ... Efa nihaona ka velon-kira Samy faly, manahoana e ! Eh , lahy e ! ... eh ! roy e ! Ny volon-taninao, ny zavaboary koa Kanto sy mevameva, mendrika sady soa Ny mponina ao aminao Mandroso tsotra izao ! Mitady mikely aina hisondrotam-pirenena Ny Railovy J. Randria - 1966