HASAMBARANA Atao hoe jamba sy marenina izay tia Kanefa ianao mbola mahita sy mandre Tsy maharesy ny sainao, toherinao ny fonao tia Satria ianao dia te-hanafina fa hoe : Efa voababon' olon-kafa manontolo Ny henatrao mampihatsara velatsihy Izaho indray na dia voasolo aza ao am-ponao mbola tia Tsy haiko hafenina kanefa aho mba minia Ny hasambarana tsy hoe hodiana adala mody tia Ny hasambarako dia fantatro fa tsy eo anilanao Ny hasambaranao ry olon-tiako Eny an-tsandrin'olon-kafa Ny hasambaranao ekeko ho ahy. Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Solo