HAVAKO ANIE IZY IZAY Havako anie izy izay, eny havako Ny anarany mantsy dia tsy afaka am-bavako Maro reo kinta-mamiratra roy “ F'iny tokako iny dia sarotra hafoy Havako anie izy izay, eny mamiko Na ratsy na tsara dia izy no laniko Nomeko ny foko, nomeko hanjakany Ka asany kosa raha ho ravaravany Havako anie izy izay, izy irery Raha lavitra azy ny saiko dia very Ny sariny mantsy voasikotra anaty Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty Havako anie izy izay, eny tiako Tiako dia tiako fanilon'ny diako Hokolokoloiko sy ataoko andry maso Fa be 'reo mpisompatra sy mpanao ankaso Havako anie izy izay, izy irery Raha lavitra azy ny saiko dia very Ny sariny mantsy voasikotra anaty Tehiriziko tsara ao am-po mandra-maty Havako anie izy izay, eny tiako Tiako dia tiako fanilon'ny diako Hokolokoloiko sy ataoko andry maso Fa be reo mpisompatra sy mpanao ankaso Barijaona