HITAKO ETO INDRAY Hitako eto indray ny lanitrao ry Nosy soa Madio mangamanga, lalaovan-drahona Mamelombelona fanahy Lalao, nilaozako ela be Lalao, ka hitako eto indray Hitako eto indray ny lanitrao ry Nosy soa Ka hira no vetsoina ho fifaliana Mahita indray ny olonao Lalao, toaviko hatry ny ela Lalao, ny hanompo anao doria Hitako, tiako ny lanitrao ry Nosy soa Hitiavana ireo havana Hiantsoiko anao Madagasikarako Ianao izao, hivelona ho anao no tarigetrako Ny anaranao anatiko ao Hiantsoiko anao Madagasikarako Hitako, tiako ny lanitrao ry Nosy soa Hitiavan ireo havana Hiantsoiko anao Madagasikarako Hitako eto indray ny lanitrao ry Nosy soa Ka hira no vetsoina ho fifaliana Mahita indray ny olonao Lalao, hitako eto indray Lalao, lanitra iry Ny Railovy