HOE TIA HOE TIA Vao nomena toky dia sahy nivelatra Kanjo voasoloky ka tapak'elatra Nanantena arira ka dia potraka Hoe tia hoe tia kinanjo nihoso-potaka Hay voaisy fefy voafariparitra Hay moa mora lefy tsy mba naharitra Na izay tena kantony aza fitaka Hoe tia (bis) kanefa dia sahy nisintaka Tsy azo antoka na toa soa aza sandoka Ny fatafatan-dinam-pitia tsy nisy ny tsy malia Mora milofika vao voadona dia potika Fa ny fitiavana tsy mba lo ianao Ny fahazazana nofy tsy fantatra Ny hatanorana kanto sy fatratra Samy misy angola feno avona Hoe tia hoe tia fa aiza ireo izao ? Nanjavona Ilay nijihina iny efa nanjoko izao Ilay tarehy fahiny niketrona fa lao Reo mpanindrahindra, mpisolelaka Hoe tia hoe tia kanjo nahafoy fa reraka lzany no ety, tsy mba misy ny ho doria Ny bika soa sy laza aman-jo Hiseram-poana avokoa . Fa hany tokana Tsy mba maro fa tokana Mahay manoro izay tena soa ianao Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Solo