IALAHY Ialahy no fitiavana nihafiko hatram' izay Aina tanjon' ny fiainako Ialahy no hery hiafaharako rahatrizay Saina hampianatra ny lohako Ialahy no hamerina amiko izay nodisoako raha nananatra aho Ny eritreritro manontolo, ny fianako Natakaloko ho an' Ialahy, natolotro an' Ialahy, lahy tokako Ialahy no hasambarana notadiaviko efa taona maromaro izay Ialahy no adim-pianana natrehako Nefa tsy nandreraka ny aiko Raha tsy eo intsony aho, i Neny no hitanisa Ny andro nandalo ihany, tsy maintsy ho faty ihany