ILAY FASANA FAHAROA 'Lay fasako, fasana ihany Fa ny foko dia fasana koa Io no fasako ivelan'ny tany Io no fasana iray faharoa Tsy mba vero na mba rangolahy No manafina io fasana io Fa ny nofoko zary manahy No mandrakotra ny omaly sy ny anio Sentosentoko mamelovelo Ranomaso, toloko tsy tana Izy ireny no sarin'avelo Nitampody ka sarotr'ialana Ao ny nofy no volavolaina 'Zay nisinda na nafoy tsy hita Ao no rendrika ilay natenaina 'Lay sambo natao ho tafita Ao tsantan'ny andro taloha Sy ny hiran'ny fahazazako No nilevina ka tsy nifoha Na niverina mba hitondra afo Sentosentoko mamelovelo Ranomaso, toloko tsy tana Izy ireny no sarin'avelo Nitampody ka sarotr'ialana Barijaona