ILAY INOAKO Ny Andriamanitra inoako Dia Andriamanitra fitiavana Tsy Andriamanitra masiaka, mpanasazy Tsy Andriamanitr' antoko Tsy mpanavaka foko Tsy mpijery harena na fihaviam-pirenena Ny Andriamanitra inoako antra sady onena Ka ny olon-drehetra mahazo Azy Tsy mpamorona helo, tsy mpizara alahelo Fa Izy no Fitiavana. Ny Andriamanitra inoako : Tompo' ny Fahendrena Te hanova ny ratsy mba hotsara Tsy mba faly manjera na revolisionera Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany Ny Andriamanitra inoako : Andriamanitra Fitiavana Tsy mba mila takalo fa mizara Ny mandray izay omeny No hany fandreseny Fa Izy no Fitiavana ! Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Bessa