ILAY TANY NIAVIAKO Rako-javona vao maraindraina zareo Itony lemak'Ikopa Fendrofendro mameno ity fo mitoreo Ranomaso mirotsaka Mbola lavitra mantsy ilay tany fodiana D'ilay tany niaviana Ngolingoly ao anatiko ao Lavik'avana aty mora mankalao ry nao Fa lavitra anao Misoko miadana tsy mamela Hery miafina iray tsy hay resena ry nosy Fitiavako anao Ndeha hody aho Ho ento aho ray tongotro Tsy aharitra ela intsony aho Dia hikopaka Taratr'andro osa osa miloko Embonembona Tampon'Ankaratra Vezivezy tsy mety mitombona re Ny ahiahy lasa lavitra Sasa-mievina ireo lavi-tiana ry nao Tsisy vovoka atao kilalao Erick Rafilipomanana (Erick Manana)