INJAY FEOM-BORONA Injay feom-boro-mikalo Naseran'ny rivo-mandalo Kinanjo ny vokany hoy aho Manjary toa mampitalaho Jereo 'ty andro mipoaka Ny aizina dia lasa voaroaka Kinanjo manjombona ihany Fa izany no fomban'ny tany Ny tany, ny hatanorana Tsy tena tomombana akory Raha izany no ialana Anio dia mandeha matory Naka RABEMANANTSOA