INONA NO MAMPAHORY AN'INENY Inona ho'aho re, ry Neny ô No zavatra dia mampahory Idada no toa vitsy teny Marary sa be sorisory Tsy azo atao ny milaza Fa aretina tena tsy toha Tsy zakan'ny sain'ity zaza Fa aretina momba ny loha Lazao iaraha-mitafa Tsa zakan'ny zaza tanora Lazao re izay fanazavana Mandetika toa rano mody Izahay re ka zaza tanora (mitsilany mandrora) Tsy hamono ny zakan'ny tody (ity kapoaka) (Izahay mitsilany mandrora) Justin RAJORO ("Saro-bonoina", Rodlish)