ITY HIRAKO ITY Moa ve fantatrao? Na mba hazonao an-tsaina? F'izao hira izao, natokako ho anao. Inoako fa raha mihaino ianao dia hanaiky Ka hizara amiko ny vetsovetso ato am-poko Raha namorona ity hira ity aho dia fantaro Fa ny endrikao, ny fitsikinao No hitako raha toa nakipiko ny masoko Tsy ho vitako iny raha tsy teo ianao Eny, eny.. . Tsy mbola fantatro izay hevitrao Na ho tianao izao hira izao Asa lahy na ho fifaliana na ho fahoriana na ho fijaliana na ho fiafiana na ho hakiviana ny fanontaniana? Tianao ve ny hirako ? raha namboraka ny faniriako Ny foko misalasala, mibitsika aminao izay tiany Aleony ihany lahy mihira. Hihira aho, hihira aho Satria ny angotingoty, tambitamby tiany hatao Tsy hainy raha tsy an-kira Henoy ange ? Ekenao ve ? Fa ho anao ity hirako ity. Dia ho very maina ve ? Ny faniriako ? Ny vetsovetso ? Asa anao ? asa anao ? Raha ho izany ? Farany anio no hikaloko ity hirako ity. Nefa ? Hinoako fa any aoriana Na ho haingana, na ho ela Mbola ho tadidinao Ary aoka ho fantatrao Fa hay efa nitsiry Tao anatinao 'lay fitiavana ITY HIRAKO ITY (2) Ludger