JESOSY TAO KANA Jesosy nanao fahagagāna tamin'ny voalohany 'Reo fianakaviana nikorana no nanombohany Lany ny divay tao an-tanāna tsy'sy hosotroina intsony Ny Tompo Jesosy koa nasaina sy ny mpianany " Tapitra ny divay, inona no hatao ? " Somaritaka tamin'izay ry zareo fa tsy misy hosotroina intsony e " Tapitra ny divay, inona no hatao ? " Dia hoy Jesosy Tompo raha nandre fa tapitra ny divay : " Ireo manoloana ireo ny siny faingāna ka fenoy rano, Aza misalasala intsony tsy ho foana ny fanasāna, Tovozy amin'izao ka mandehana ny rano tonga divay " Fifaliana indray ny tao Kana nahita 'ty fahagagana. Voaloham-pahagagana Jesosy tao Kana Nifaly sy nikorana ireo olona Tao amin'ny fanasāna e Heniky ny hafaliana 'reo nisotro 'ty fitahiana Jesosy no nanova tamin'izay 'Lay rano tonga divay Tonony sy Feony : Jean Claude Ramanitrarivo