LALAN-TOKANA SY TERY Lalan-tokana sy tery Ny fitiavana mahery Mody miafina ny miery Nefa kosa tsy ho very Tsy vozonana terena Tena sarotra fefena Fa ny teny izay nekena Mampijoro tsy hivena Adalana anenenana Fitiavana raràna Ny fitiavana raràna Masiaka tsy ho tana Naka RABEMANANTSOA