LANITR' I GASIKARA Hitako eto indray Ny lanitrao, ry Nosy soa, Madio mangamanga, lalaovan-drahona, Mamelombelona fanahy La, la ... Nilaozanao ela be La, la ... Ka hitako eto indray Hitako, tiako, ny lanitrao ry Nosy soa Fitiavna, hirerehavana Hiantsoiko anao Madagasikarako Na namana ianao, na ory dia izao : Mivelona ho anao ny tarigetrako, Ny anaranao, anatiko ao Hiantsoako anao Madagasikarako Hitako eto indray Ny lanitrao ry Nosy soa, Ka hira no vetsoina, ho fifahana Mahita indray ny olonao La, la ... Voadiko hatry ny ela La, la ... Ny hanompo anao ho doria ! Ny Railovy Tonony sy feony : J. Randria , 1960