MANDINIHA KA MBA SAINO Mandiniha ka mba saino zareo Aza fatra mpialona foana Ny ora tsy afaka hitaona Hiampanga ny ratsy atao Ka tsy azo ialana na ho aiza na ho aiza Ny tody anie ka akaiky Ny atao no miverina koa Ny tamana mitetika ny hafa Tsy ho ela dia izy no ho voa Eritrereto zareo ka mba mianara Aoka ho anatra izao Ny nenina anie manody Ny fahamarinana re no mitsara Ka resy tsy miady ka dia avelao Andeha re misaotra anareo re Ka dia misaotra, misaotra tokoa re Ka mandehana mipetraka izao Naka RABEMANANTSOA