MANIMANINA AN'I NENY Manimanina an'i Neny aho izany 'Lay reny tsy foiko, nilaozako any ho any 'Lay fola-damosina, niankin-drindrina irery Kanefa dia nilaozako, nilaozako ombieny Nankaiza kosa izany ankehitriny Fa lavitra no misy azy iny Manimanina an'i Neny aho ry lahy Ka ory ny fanahy Rahoviana re ry taona Ambarao re ry tany No avelanao hihaona Fa manin'azy aho izany Ny tambitambiny tadidy Ny safosafony tsy amidy Manimanina an'i Neny aho re roy 'Lay reniko tsy foy Manimanina an'i Neny aho izany 'Lay reny tsy foiko, nilaozako any ho any 'Lay fola-damosina, niankin-drindrina irery Kanefa dia nilaozako, nilaozako ombieny Nankaiza kosa izany ankehitriny Fa lavitra no misy azy iny Manimanina an'i Neny aho ry lahy Ka ory ny fanahy Barijaona