MBA SAINO RY LAHY Mba saino ry lahy izao teny izao Jesosy nijaly sy maty ho anao Noesoesoina, noharatsiratsiana Na dia olo-marina tsy nanan-tsiny Tsy foiny ho very anefa isika taranaka mandimby Ka dia nafoiny hohomboina ny tenany Natao ho mahantra mba hamonjy ny ory Jesosy nateraka an-tranon'omby Ny mpanana anefa tsy diso anjara koa Satria Jesosy dia Zanaky ny Avo Tsy tonga hamonjy ny marina anefa Jesosy Fa tonga mba hitady ny olona very Mandondona ao aminao Jesosy anio Mba te hitoetra an-tokantranonao Voahay varavarana re ny vahininao Fa Izy no manana ny vahaolana ho anao Hatramin'izay ka ho mandrakizay Tsy nisy nanenina izay nampiantrano ny Tompo Jesosy Tonony sy Feony : Dimison