MIAKA-MIDINA Miaka-midina ny fiainana, mihilangilana mihodina Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao Maty omaly ilay vendrana, ilay adala tao an-tanàna Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao Fa mora dia mora ny mihalangalana Tsy sarotra akory ny manafina Andraikitr'iza ary izany hoy ianao Fa mora dia mora ny mihalangalana Tsy sarotra akorv ny manafina Andraikitr'iza ary izany hoy ianao Solafaka ilay tovovavy, afa-baraka ny mpianakavy Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao Mangalatra ny sasantsasany, io no ataony laha-asany Nefa toa tsy misy dikany ho anao