MIDOLA TSY KETR' ILA (afindrafindrao) Midola tsy ketra'ila Midola tsy amin-tsavony mavo rajo Midola mitongim-baky "mauvais" Mitari-pasika mody ka tsy tiako Lazondazom-boakanzo nankalao Lazondazom-pitia nanadala Tiavo ny havanao Ramatoa F'izaho aza ariana sombiniaiko Eny ekeko fa marina izany Raha ianao peratra Izaho ratsan-tanana Raha ianao no endriko Izaho bikanao sombiniaiko Tranonay sy malala Mifanao atsimo sy avaratra sioka tokana dia mivoaka Kopa-damba dia lasa "rendez-vous" Ondaondano kely anie aho ry patro Fa marary ny an-dohako Fa maninona no marary ? Tsy niala vazi-boana ka narary e ! Tavohangy mitongilana Tohanako lantinoara Ise kely raha mihilana Tohanako latin-tsandry moramora veloma masina ny aty Teny Antananarivo izahay Iarivo tratry ny taona Tetsy Ambatonankanga izahay Namangy an' Ikaky sy Neny Hitondray tamotamo aho hitamotamoko Hitondray sakarivo aho hirivorivoko Paraky mahery izahay re Ka tsy hanin' olon-jejo.