MISY KALOKALONTSIKA Misy kalokalontsika Izay tsy maintsy ho voatsiahy Ho voaloko, ho voakiky Ao anatin'ny fanahy Ny tenako mantsy no saraka anao re Ry kintana kenin'ny hatanorana Hanjary fisaonana ilay kilalao e Ho ritra ny ranon'ilay fantsakana Ny onjam-pahoriana No sisa mbola andrasana Ambarapahatonga eo Ambaravaram-pasana Ary sento soson-droa No ho solon-damba mena No sisa hamonosana 'Lay fo 'zay nanantena Justin RAJORO (sy Mpianina)