MITOTO VARY DIAVOLANA Ny mangorak'olon-tsy tiana Mitoto vary diavolana Mihantsy fampahoriana Mandrava tady efa miolana Ny manin'olon-tsy sitraka Sikidy mila voatsiary Ary saritsarim-pamitaka Salama toa te harary Ny misento izay tsy lalaina Mandraoka rano efa raraka Mandena lamba efa maina Manao ankason'ny mpiaraka Ny fitia hanin-tsahaza Raha anombinana mankanavy Fanomezana an-tanan-jaza Tsy omena zaza miangavy Andrianary RATIANARIVO