MODY ATAO HOE KILALAO Kilalaonao aho hoy ianao Fa nanambady an-jokinao Zokinao izay 41 taona Fa ianao kosa ianao Dia zaza omena kilalao Satria ianao vao 18 taona Dia milalao tokoa ianao lzaho rahateo moa kilalao Namila ho rovitra aza tsy afaka miteny Refrain : Fa ianareo roalahy tsy misy foiko Samy tiako, samy antsoiko Saingy anaty ihany no iantsoko inanao Ka mampirafy tsotr' izao ny foko Tia anao antsokosoko Saingy mody atao hoe kilalao Vao 7 taona mantsy izao Ny mariazy no natao Tamin'izay aho 19 taona Ny zanakay hatramin' izao Dia mbola telo aloha ny ao Tsy misy vavy anefa asa angaha nahoana Ny sangisangin-jokinao Toa hamporisika ahy hanao Fahadalana hahazo vavy dia ho ekeny Fa ianareo... Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Lola