MPANARATO Olona mpanarato Mailaka ambony rano e ! (in-droa) Mandeha, mandeha lakan-drafitra e olona mpanarato eny izy Mandeha, mandeha lakan-drafitra e Tsy mba matahotra onja eny izy e ! Zanaka mpanarato Mitsimpona akorandriaka . . (in-droa) Jereo, jereo lakan-drafitra e Tsy mba matahotra onja eny iny e Jereo, jereo lakan-drafitra e Lakana mpanarato eny iny e Ah I Vadin'ny mpanarato Tsy afaka tebiteby (in-droa) Manahy, manahy lakan-drafitra Sao dia voatelin'onja eny iny Manahy, manahy lakan-drafitra e Vadin'ny mpanarato eny izy e. Tonony sy Feony : Bessa Mpihira : Bodo