NAHOANA NO MISENTOSENTO Nahoana no misentosento Ianao sombinaiko Dada ô Adinonao sahady ve Tsy adinoko Lay teniko teto Vehivavy aho ka mora mangoraka Ny sento mandalo Indrisy re Ry sentosento mandosira Ry alahelo mba lavira Ry kalokalo sy ny hira Mba mandrosoa sy midira Mba misehoa ry hafaliana Handroaka itony fahoriana O ! Mionona ry saina Fandrao dia mandreraka ny aina Naka RABEMANANTSOA