NITADY ANAO Nitady anao aho Nitady hatraiza hatraiza Nijerijery teny ho eny Nankaiza hianao nankaiza Ny toerana faleha Novonjeko noseranina Tsy teny anefa hianao Tsy hita notazanina 'Reo havako sy namako Dia saiky nohafarako Fa sao mahita anao Mba hitonona ny anarako Kanefa aho tsy sahy Sao ny hetaheta anatiko No anesoina ahy Ka zavatra tsy tantiko Nitady anao aho Nitady hatraiza hatraiza Nijerijery teny ho eny Nankaiza hianao nankaiza Nitady anao aho Ary mbola hitady ihany Na dia efa tsy nahita Mbola hitady hatrany hatrany Satria, satria ny fahoriako Dia miangavy mba hahita Na ny sary zavozavo Misy endrika tsy hita . Tonony : EmeraldA . Feony : Ramaroson Wilson . Mpihira : Salomon . Mpandrindra : Hary - Bessa - Hery - Kiry